<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>Band of Hope</author>
<lyrics>[V1]
 Teraka Jesosy Tomponay,
 Taitra ny olona fahizay,
 Nisy anjely nihira teo,
 Mahafinaritra, tsara feo,
 Sady milaza soa aminay,
 Dia hihira anio izahay

[V2]
 Taona fahasambaranay,
 Volana fifalianay,
 Andro firavoravoana Anao,
 Jesosy, Zanaka Masina ô!

[V3]
 Teraka Jesosy be fitia,
 Indro kintana tonga teo,
 Avy hanoro ny Zaza soa:
 Faly ny Magy, fa Io tokoa,
 Io no Mpanjaka mandrakizay
 Dia nanaja androtr'izay:
 Taona fahasambaranay, sns.

[V4]
 Teraka Jesosy Zaza soa,
 Zaza Malalan'ny Ray tokoa;
 Tonga hamonjy io Zaza io,
 Teraka ao Betlehema anio;
 Ento 'zahay, Fanahy, hankao.
 Andronay mahafaly izao:
 Taona fahasambaranay, sns.

[V5]
 Sambatra manana Anao ho Ray,
 Faly sy ravo tokoa izahay;
 Jesosy Tompo nirahinao,
 Tonga ho nofo ny Zanakao;
 Teraka ho Mpanavotra anay
 Avy hifaly eto 'zahay:
 Taona fahasambaranay, sns.</lyrics>
<title>Teraka Jesosy Tomponay FFPM72</title>
<hymn_number>72</hymn_number>
</song>